Psalms 108

Fahatokiana an’ Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo

Tonon-kira. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko
Heb ny voninahitro.
no hihira sy hankalaza.
3Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho
Na: hampifoha ny maraina aho.
.
4Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa. 5Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao. 6Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao. 7Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio. 8Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko; 9Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda; 10Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako. 11Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma? 12Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô? 13Vonjeo amin’ ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona. 14Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.
Copyright information for Mg1865